✅ Tonga nitsidika tao Antsapazana, lalam-pirenena faha-2 (RN2), ny 15 oktobra 2026, ireo Minisitra solontenan’ny governemanta taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana omaly 13 oktobra 2026, ka nahafatesana olona fito.
✅ Nijery ny toerana nitrangan’ny loza izy ireo, ary nanolotra fanampiana ho an’ireo naratra. Naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namoy havana ary nanolotra fao-dranomaso ho azy ireo.
✅ Raha tsiahivina, fiara mpitatitra olona avy any Toamasina hihazo an’Antananarivo no nifandona tamin’ny kamiao teo amin’ny toerana voalaza omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Olona fito no namoy ny ainy, raha telo kosa no naratra mafy ka mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaliben’i Moramanga.
✅ Isan’ny tonga teny an-toerana ihany koa n ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur General de Police ERICK Michel.
✅Vantany vao nahare ny loza kosa dia nidina teny an-toerana ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga niara nisalahy. Nandray an-tanana ny fandrindrana ny fifamoivoizana kosa ireo mpitandro filaminana, notarihin’ny Kaomisarian’ny Polisy sy ny Lehiben’ny Borigadin’ny Zandarimaria ao Moramanga.
✅ Ho fanamafisana ny fiarovana ny mpampiasa lalana kosa dia nampitomboina ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny sazy amin’ireo fiara tsotra sy fiara vaventy (camions) tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana indrindra ny eny lalam-pirenena faharoa (RN2). Hojerena manokana amin’izany ireo mpamily manao hafainganam-pandeha tafahoatra, izay mety hampidi-doza ny hafa.
✅ Entanina ihany koa ny rehetra mba hampandre ny mpitandro ny filaminana raha mahita fiara mandika lalàna eny an-dalana, ary raha azo atao sy tsy mampidi-doza dia maka sary mba hanamorana ny famantarana ireo mpandika lalàna. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao sy hiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana rehetra.

