Ady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina
➡️Tratran’ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Stup Anosy, teo am-pivarotana rongony izy roa lahy ireto, ny atoandron’ny 30 Jona 2025 teny Soavimasoandro.
➡️Efa maro ny fitarainana voarain’ny Polisimpirenena mikasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny an-toerana, ka nisy paikady manokana napetraka nahafahana nisambotra azy ireo.
➡️Fehin-drongony milanja 05 kilao mahery niampy fonosana miisa 93 izay efa vonona ho amidy no tratra teny amin’izy ireo.
✅Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo natao fanadihadiana. Niakatra fampanoavana ny Alarobia teo ary nidoboka eny Antanimora.

 

LEHILAHY ROA MPIVAROTRA SY MPANAPARITAKA RONGONY ENY SOAVIMASOANDRO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer