– Notanterahina ny talata 20 Oktobra 2026 ny fanombohan’ny fihofanana momba ny fitarihana ny fanadihadiana sy fikarohana fandikan-dalàna (Direction et Contrôle des Enquêtes Judiciaires), ho an’ireo nahazo galona ho Inspecteur de Police taona 2026.
– Izany dia fiomanan’izy ireo amin’ny andraikitra maha mpikaroka fandikan-dalàna (Officier de Police Judiciaire).
– Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule, niaraka tamin’ny Tale misahana ny Fampiofanana Mitohy eto anivon’ny Polisimpirenena (DRFC), ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, ary ny Lehiben’ny Sampan-draharaha miady amin’ny heloka anabaka, ny Commissaire Principal de Police HASSAN Mouigni.
– Mandray anjara feno amin’izao fiofanana izao ihany koa ireo nisondrotra laharam-boninahitra ho Inspecteur de Police avy any amin’ny faritra tamin’ny alalan’ny fiofanana ampitan-dravitra no hanatanterahana izany.
– Haharitra iray volana ity fiofanana ity, ka hisy ny fianiainana eo anatrehan’ny fitsarana aorian’izany.



