📝 Tontosa tao amin’ny efitrano fivoriana ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka Anosy ny Alarobia 20 Mey 2026, ny Fivoriambe voalohany ho an’ny taona 2026, ho an’ny Fikambanana FIVAPOVA na Fikambanana Vady Polisy sy Polisy Vavy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana avokoa ireo birao avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana ny Nosy tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra.
🤝 Anisan’ ny fanapahan-kevitra lehibe noraisina nandritra ity fivoriam-be ity ny nandraisana ny daty hankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny FIVAPOVA, izay hotanterahina ny 17 Aogositra 2027 ary hofaranana amin’ny Zaikabe nasionaly hatao any MAHAJANGA amin’ny taona 2028. Tapaka ihany koa ny hanavaozana ny fanamiana nasionaly iraisan’ny FIVAPOVA manerana ny Nosy, ary koa ny fanamafisana ny lafiny sosialy eo anivon’ny Fikambanana, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina ankehitriny. Izany rehetra izany dia mba ho fanatanterahana ny teny filamatry ny fikambanana manao hoe : « HO IRAKAREO AHO »
👥 Tonga nitarika sy nanome voninahitra ny Fivoriambe ny Filoham-boninahitry ny Fikambanana FIVAPOVA, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa. Nanotrona azy ny Lehiben’ny Sampana Fitsirihana Anatiny eo enivon’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police MARINJAHA Vavitafika; ny Filoha Nasionalin’ny FIVAPOVA, ny Commissaire Principal de Police HAJANOMENA Razafindrasoa Bernadette ; ary ny Mpandrindra Nasionaly dia Ramatoa TSARAMONINA Fanjanirina. Teo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny birao Nasionaly teto Antananarivo.
✅ Namporisihana sy nentanina manokana hatrany ny fanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny mpikambana manerana ny Nosy. Nanaovana antso ihany koa ireo mbola tsy ao anatin’ny Fikambanana mba hiditra sy hanatevin-daharana.

FIVAPOVA NASIONALY : NANATANTERAKA NY FIVORIAMBE VOALOHANY HO AN’NY TAONA 2026

Vous pourrez aussi aimer