👮‍♂️ Lehilahy roa tompon’antoka tamin’ny raharaha halatra vola sy finday narahina fanolanana, nitranga ny alin’ny 18 Oktobra 2026 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP Alasora ny harivan’ny 19 Oktobra 2026.
🚨 Mpivahiny avy lavitra tsy nahita lalana no nararaotin’izy roalahy ireto ka rehefa nanontany ny toerana tokony alehany izy ireo dia nentin’izy ireo tamin’ny toeran-kafa, nangalarin’ireo jiolahy ny finday sy vola ary tsy vitan’izay fa mbola naolan’ireo olandratsy ihany koa ny vehivavy iray tsy ampy taona.
âś… Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alosora dia voasambotra tao Ambodin’Isotry Andranomanalina ireo jiolahy. Tanana atao andri-maso ireto roalahy ireto ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny famotorana savaranonando.
📢 Mamporisika ny mpiray Tanindrazana hatrany ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hitoroka na mametraka fitoriana amin’ny tranga ilĂ na izany.
ALASORA : JIOLAHY ROA MPANGALATRA SADY MPANOLANA VAOSAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
