🤝 Tontosa ny 24 Aogositra 2026 ny fihaonana teo amin’ny Masoivohon’i Chine sy ny delegasiona miaraka aminy; sy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, tao amin’ny biraony tao Anosy ka niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fihaonana.
🔎 Nifantoka tamin’ny fomba hiarahana miasa amin’ny fanaraha-maso sy ny famongorana ireo tambajotra manao asa fisolokiana an-tserasera sy anabaka ny fihaonana.
👮♂️ Nandritra ny lahadinika dia samy nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana handray ny fepetra rehetra ilaina hamongorana izany tranga izany sy hirosorohana ny fisiany eto Madagasikara ny roa tonta.
🤝 Etsy ankilany, nanome toky ny delegasiona sinoa fa hanao izay ezaka rehetra hanampiana ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny fisolokiana an-tserasera sy anabaka indrindra amin’ny lafiny fampitaovana sy ny teknolojia mifanaraka amin’ny fivoaran’ny vanim-potoana ankehitriny.
🏢 Nifarana tamin’ny fitsidihana ny ivon-toerana miady amin’ny fisolokiana an-tserasera sy anabaka eny Ivato ny fihaonana

