📜 Ny Lalàna laharana faha-2017-002 momba ny Fehezan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana (Code de la Route) dia natao hiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana rehetra. 🛣️🛡️
🚦Noho izany, rehefa misy Polisimpirenena na Zandary mandrindra ny fifamoivoizana eny an-dalana, dia ny famantarana sy ny toromarika omen’izy ireo no tsy maintsy arahina, na dia misy aza ny jiro sy/na takelaka famantarana efa mipetraka. 👮‍♂️👮‍♀️
đźš—đźš™Ny anton’izany dia satria arakaraka ny zava-misy ny an-kianja no handaminana ny fifamoivoizana mba hisorohana ny fitohanana sy ny lozam-pifamoivoizana. 🚦⚠️
âś… Adidin’ny mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra, araka izany, ny :
âś… Manaraka ny baiko sy ny famantarana omen’ny Polisimpirenena na Zandary mandrindra ny fifamoivoizana;
âś… Manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana;
🤝 Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana mba hiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny rehetra. 🛡️👮‍♂️
⚖️ Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa voaaro eo ambanin’ny lalĂ na ny Polisimpirenena sy ny Zandary rehefa manatanteraka ny asany. Izay manao herisetra, mamely, mandratra, na manohitra azy ireo am-panatanterahana ny andraikiny dia mety hiharan’ny fanenjehana ara-pitsarana sy ny sazy voalazan’ny Fehezan-dalĂ na famaizana (andiny faha 209 ao amin’ny fehezan-dalĂ na famaizana). ⚖️🚨
🕊️ Antoka hampisy ny filaminana ny fanajĂ na ny lalĂ na sy ny toromarika omen’ny mpitandro filaminana. 🤝🛡️

AMPATSIAHIVANA : REHEFA MISY POLISIMPIRENENA MANDRINDRA NY FIFAMOIVOIZANA, NY TOROMARIKA OMEN’IZY IREO NO ARAHINA

Vous pourrez aussi aimer