– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
Nanatanteraka fanentanana miompana amin’ny fisorohana ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy ny Polisimpirenena ao Maevatanàna, ny 16 novambra 2026, tao amin’ny Sekoly tsy miankina FANOVOZANTSOA, ao Morafenokely, Kaominina Ambonivohitra Maevatanana.
-Nandritra izany no nampahafantarana ireo mpianatra sy mpanabe ny andraikitry ny BFP (Brigade Féminine de Proximité)sy ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Betsiboka, izay misahana ny fandraisana an-tanana sy ny fiarovana ireo ankizy sy olona iharan’ny herisetra.
-Nohamafisina fa teren’ny lalàna ny rehetra hitoroka raha mahita herisetra atao amin’ny ankizy. Tanana tsiambaratelo ny mombamomba ireo mpitoroka raha ilaina izany ary efa manao fianianana momba izany ny Polisimpirenena.
– Tafiditra tao anatin’ny fanentanana ihany koa ny fizaràna boky mirakitra ny karazana herisetra sy ny laharana findain’ireo sampan-draharaha afaka manatona sy mandray an-tanana ireo niharam-boina.
– Nankasitraka ny hetsika ireo tompon’andraikitry ny sekoly ary naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny Polisimpirenena.
Ireto ny laharana findain’ny Polisimpirenena Ao Betsiboka : 0340599869

