👉 Fiarovana ny zaza tsy ampy taona sy ny olona marefo
⚠️ Ny 21 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, dia voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny PMPM, Fitalevam-paritry ny Filaminambahoaka Boeny, tao amin’ny Fokontany Aranta, ny vehivavy iray 36 taona, taorian’ny fampandrenesana voaray momba ny fihetsika mamoafady natao tamin’ireo zazavavy miisa 13, izay eo anelanelan’ny 04 ka hatramin’ny 15 taona.
‼️Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa nampanaovina fihetsika mamoafady ireo ankizy ary nalaina saryv ka tambazana vola.
Ny zaza iray 11 taona, izay isan’ireo nampandraisina anjara tamin’ity fihetsika mamoafady ity, dia voakapoka rehefa nandà tsy hanao izany.
🕵️‍♂️Taorian’ny nahazoan’ny Polisy vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po momba ny zava-nitranga, dia nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nahatratra sy nisambotra ilay vehivavy 36 taona tomponantoka tamin’izany.
➡️ Tanana atao andrimaso ity vehivavy ity ary hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana. Ireo ankizy kosa dia efa natao fizahàna ara-pahasalamana ary nahazo fitsaboana izay mila izany.
✅Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena tsara sitra-po mitoroka ny herisetra sy ny fanararaotana atao amin’ny mpiray Tanindrazana tahaka izao.

MAHAJANGA – ARANTA : VEHIVAVY 36 TAONA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HERISETRA SY HELOKA MAMOAFADY TAMIN’IREO ZAZAVAVY TSY AMPY TAONA MIISA 13

Vous pourrez aussi aimer