👉Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
♦️ Ny 19 Aogositra 2026, nahazo antso ny Polisy fa misy andian-jatovo misotro tao amin’ny « bar » iray ao Talatamaty, ary voalaza fa mampiasa vola sandoka.
‼️ Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka olona miisa enina no tratra niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 600 000 Ariary.
🔗 Nosamborina izy ireo ary nentina avy hatrany tao amin’ny Komisarian’ny Foibe Ampasambazaha hanaovana fanadihadiana ireto tanora ireto ahafantarana ny fomba nahità ny ireo vola sandoka.
✅ Entanina hatrany ny rehetra tsy hilasalasa hampilaza ny mpitandro ny filaminana amin’ny tranga rehetra ilà na izany.