👉 Mitohy ny ezaka hataon’ny Polisimpirenena amin’ny manoloana ireo tsy fandriam-pahalemana matetika miseho eto Antananarivo Renivohitra.
🎯 Mpangalatra fakan-tsary (camera de surveillance) iray voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Amparafara, Ambohimanarina.
📌 Mpangalatra akoho iray vosambotra teny Nanisana. Ny 16 Oktobra 2026 alina nandritra ny fisafoana nataon’ireo Polisy miasa ao amin’ny CUI3.
🎯 Mpanendaka iray efa mampitaraina ny eny amin’ny faritry 67 Ha, Andohatapenaka ary Ankasina no voasambotry ny Polisy rehefa avy nanao ny asa ratsiny, mbola hita teny aminy ny finday iray vao avy nangalarina.
đźš” Ny 15 Oktobra 2026, lehilahy miisa roa no voasambotra teo am-pifohana rongony teny Namontana Agarangarana sy Marovitrika.
👮‍♂️ Lehilahy mamon-drongony iray hafa koa voasambotra teny Anosibe rehefa nanakorontana ny fiaraha-monina, mbola nahitana rongony teny aminy rehefa nosavaina.
📌 Ny 16 Oktobra 2026, mpivarotra rongony iray no nosamborin’ny Polisy UIR Tanjombato tao Ambohimanatrika, nahitana fonosana rongony maro tao an-tranony nandritra fisavana
🎯 Mpamaky trano iray hafa voasambotra tao Ambohimanatrika, Tanjombato.
🔎 Ankoatr’izay, ny 17 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva, mpanendaka roalahy no voasambotry Polisy Miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny COLAS Anosibe.
👮‍♂️ Tao Itaosy, olona miisa roa, mpanao hala-botry sy mpanendaka iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Itaosy ny 18 Oktobra 2026.
đźš” Mpisoloky cash point amin’ny alalan’ny fandefasana sms, efa nifampitadiavana no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato.
👮 Efa voatazona eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena avokoa ireo olona voasambotra ireo hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny Fampanoavana.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : JIOLAHY MIISA 13 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA,MPAMAKY TRANO, MPANENDAKA, MPISOLOKY ARY MPIFOKA RONGONY.

Vous pourrez aussi aimer