LALAON’NY NOSY – TARANJA BASKET BAL : TOY IREO ATLETA REHETRA MANDRAY ANJARA AMIN’NY LALAON’NY NOSY DIA NAHAZO PRIME AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANAJAKANA IHANY KOA NY ANKOAY

Tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana, amin’ny fikarakarana ny fiatrehan’ny lalaon’ny nosy izay atao eto Madagasikara manomboka ny 25 Aogositra ho avy izao.
Ankoatra ny tohana ataon’ny Minisitera mpiahy dia androany no nanolorana ny  » Prime » avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo atleta rehetra mpandray anjara ary nahazo izany ihany koa ny mpilalao basket-ball izay mipetraka etsy amin’ny « Live Hôtel Andavamamba .
👮‍♂️ Nilaza ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka nandritra izany fa : « efa vonona tanteraka isika hiatrika io lalao io amin’izao 15 andro tsy hanombohany izao. Vonona isika na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, na ara-pitaovana fa indrindra efa vonona tanteraka ara-moraly sy ara-batana ireo atletantsika. Rehefa nanontaniana moa izy ireo dia samy milaza daholo fa efa tsindrindaona hiatrika ny fifaninanana ary vonona ny hanome ny tsara avy any amin’izy ireo ho an’ny tanindrazana.
🏀🏀 Nanambara kosa ny avy ao amin’ny federasiona ny taranja basket fa feno fankasitrahana ireo Minisitra coachs izahay amin’ny fanohanana ny fiomanan’ireo atletantsika izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy afaka andro vitsivitsy. Tsy mikely soroka ianareo mankahery sy manome tohana samihafa, na ara-tsakafo izany, na ara-pitaovana na ara-bola mba hahatomombana ny fiatrehan’ireo atletantsika io lalao io satria voninahi-pirenena no harovana.
⛹️‍♂️🦅⛹️‍♀️ Nandray fitenenana ihany koa ireo mpilalao ary nilaza ny hetahetam-pony ary anisan’ izany i Lyvio mpilalao Ankoay lehilahy izay nilaza fa tsara karakaraka ny mpilalao ary misaotra ny fitondram-panjakana . Manome toky izy ireo fa handrombaka ny medaly volamena ho an’ny sokajy lahy sy vavy . Nohamafisin’ i Muriel mpilalao Ankoay Vehivavy ihany koa fa vonona tanteraka izy hitazona ny medaly volamena ho an’ny Malagasy.
✅️ Nisolo tena ireo Minisitra mpiahy ny taranja basket-ball moa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ka ankoatra ny fanomezana prime dia nisy ihany koa ireo malala-tanana nanolotra kojakoja ( serviette, savony , fanafody ,… ) hahafahan’ny mpilalao miatrika am-pitoniana ny fanomanana ny lalao.

LALAON’NY NOSY – TARANJA BASKET BAL : TOY IREO ATLETA REHETRA MANDRAY ANJARA AMIN’NY LALAON’NY NOSY DIA NAHAZO PRIME AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANAJAKANA IHANY KOA NY ANKOAY

Vous pourrez aussi aimer