– Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor androany, nitondra fanazavàna momba ny raharaha niseho tao Vohemar niseho ny 14 Aprily 2026 izay nahamay ny biraon’ny Polisy tany an-toerana.
– Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena fa ny tranga izay niseho tany Vohémar dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy fandikàna ny foto-kevitry ny Fanjakana tan-dalàna. Manameloka tanteraka ny herisetra sy ny fitsaram-bahoaka izy, indrindra ny fanafihana ny mpitandro filaminana sy ny Kaomisarian’ny Polisy.
– Efa nandray fepetra hentitra ny Polisimpirenena, anisan’izany ny fanamafisana ny fiarovana sy ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka, mba hamerenana haingana ny filaminana.
– Miantso ny vahoaka kosa mba ho tony, hanaja ny lalàna ary haneho fahamatorana.

 

TRANGA FANDORANA NY KAOMISARIA SY FANAOVANA HERISETRA TAO VOHEMAR : HANOKATRA FANADIHADIANA NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer