🤝Tonga nitsidika sy nampahery ireo fianakavian’ilay zaza varira nalain’ny jiolahy an-keriny ary efa tafaverina soa aman-tsara eo amin’ny fianakaviany, tany Beroroha ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sady namita iraky ny fitondram-panjakàna ; isan’izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpitandro filaminana tany an-toerana.
✨Nandritra izao fidinana ifotony izao dia nihaona tamin’ny vahoaka sy ny OMC ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka nanamafy ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana ao Beroroha.
👮‍♂️Nisy ihany koa ny dinika niarahana tamin’ireo Polisy ao amin’ny Kaomisarian’i Beroroha izay notarihin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka ary nanomezany toromarika ho fanamafisana ny asa sy ny fiarovana ny vahoaka.

BEROROHA – 03 JONA 2026 NITSIDIKA SY NANKAHERY NY FIANAKAVIAN’ILAY ZAZA VARIRA NALAIN’NY JIOLAHY AN-KERINY NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA MIARAKA AMIN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA. HOHAMAFISINA IREO FEPETRA HISIAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA

Vous pourrez aussi aimer