đ Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
âđź Nandritra ny fisafoana alina nataon’ny Polisy tao Ankevaheva , Kaominina ambonivohitrâi Andapa, dia nahatratra andian-jatovo miisa valo teo am-pidorohana rongony ireo mpitandro ny filaminana. Mbola misy tsy ampy taona taminâizy ireo.
âđ Nentina avy hatrany any aminâny Biraonâny Polisy ireto tovolahy ireto mba hahafahana manao ny fanadihadiana lalina sy ny famotorana rehetra momba azy ireo.
âđŻ Mitohy ny hetsika ataon’ny Polisy ho fiarovana ny tanora tsy hizotra aminâny lalan-diso ary ho fitandroana ny filaminana ao an-tanĂ na.
â
Ny raiamandreny kosa entanina hanara-maso sy hanabe araka ny tokony ho izy ireo tanora, indrindra ireo tsy ampy taona, mba tsy ho roboka aminâny fandikan-dalĂ na tahaka izao
ANDAPA : TOVOLAHY VALO TRATRA MIFOKA RONGONY NANDRITRA NY FISAFOANA ALINA NATAON’NY POLISIMPIRENENA
