🚨 Ady amin’ny heloka bevava.
📍 Nitrangana vono olona feno ratra tao amin’ny faritry Bongolava ny 14 Septambra 2026.
⚠️ Fifamaliana no nitranga teo amin’ireto mpivady tao amin’ny Fokontany Analatsifaka, Kaominina Soanierana, Distrikan’i Tsiroanomandidy ny maraina’ny 14 Septambara 2026.
🎯 Rehefa tsy nisy ny fandeferana dia niafara tamin’ny herisetra izany saingy ny mampalahelo dia nitarika ny fahafatesan’ilay ramatoa.
🚨 Nandositra noho izany ilay raim-pianakaviana saingy nitolo-batana tao amin’ny Polisimpirenena izy ny 15 Septambra 2026 ary nanokafana fanadihadiana.
👮‍♂️ Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity ary natolotra ny Fampanoavana ny 16 Septambra 2026 ka nidoboka am-ponja.
🛡️ Ny tranga tahaka izao dia mampatsiahy fa tsy misy tsy voavaha amin’ny fifampiresahana am-pilaminana sy fifampihainoana ny olana misy mba hisorohana ny herisetra izay mety hitarika hatramin’ny heloka bevava.

TSIROANOMANDIDY : LEHILAHY NAMONO NY VADINY, NIDOBOKA AM-PONJA.

Vous pourrez aussi aimer