👉 Polisimpirenena manakaiky vahoaka.
‎📅 Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo, nametraka lamina ny Polisimpirenena amin’ny fanadiovana ary fandaminana ny fifamoivoizana amin’ny lalana Anosy, Anosibe ary Anosizato Antsinanina izay efa mampitaraina ny mpivezivezy amin’iny lalana iny ihany koa ny fitohanana lavareny isan’andro. Ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina (CSP5) no miandraikitra mivantana izany.
‎🚏 Tanjona ny handaminana ny lalana, hametrahana sy hampianarana ny mpivarotra tsy hiditra anatin’ny lalan’ny fiara mifamezivezy, ireo taxi-bisikileta sy ny sarety mba tsy hihazo ny sisin-dalana roa ka hampisosa tsara ny lalana afovoany, ireo taxi-be mba tsy hijanona ela loatra amin’ny fiantsonana, ireo mpandeha an-tongotra mba hanaja ny sisin-dalana, ary ny fiara rehetra mifamezivezy mba hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana sy hifandefitra.
🎯 Izany no natao dia ho fiaraovana ny mpampiasa lalana sy hanalefahana ny fitohanana izay hita fa miteraka fandaniam-potoana be loatra ho an’ny be sy ny maro.
✅ Ahitam-bokany izany raha ny tsapa satria mihamalefaka tokoa ny fitohanana be loatra. Na izany na tsy izany, mila finiavana avy amin’ny rehetra ny fitohizany. Ny Polisimpirenena dia mandray ny andraikiny feno amin’ny fampiharana ny lalàna, fanentanana, fampianarana sy fanabeazana saingy mila resy lahatra ny rehetra fa samy manana ny tandrify azy mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro.

MANATANTERAKA ASA FANADIOVANA SY FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY LALANA ANOSY – ANOSIBE SY ANOSIZATO ATSINANANA

Vous pourrez aussi aimer