🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy fiarovana ireo olona marefo.
👮‍♂️ Olona telo mpangalatra sy mpanao sinto-mahery no voasambotry ny Polisimpirenena, teto Antananarivo renivohitra, ny Alarobia 25 Novambra 2026.
đźš” Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, tao Antanety Atsimo, akaikin’ny Video Nirina, mpanendaka miaraka amin’ny antsy no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina. Mbola hita teny aminy ireo entana nangalariny.
🚔 Tetsy Anosibe, manoloana ny Shop Avenir, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina ny lehilahy iray avy nisintona finday teny amin’ny vehivavy iray nandeha bisikileta.
🚔 Teo amin’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano indray, tokony ho tamin’ny 04 ora hariva, dia mpangarom-paosy tao anaty taxi-be zotra 163 no voasambotry ny Polisy misahana ny fifamoivoizana.
⚖️ Nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa izy ireo hanaovana fanadihadiana, alohan’ny hanolorana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MANGALATRA SY MPANGAROM-PAOSY TELOLAHY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.
