🇲🇬 Fiomanana amin’ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena
🧹 Notanterahina ny sabotsy 20 jona 2026 ny hetsika fanadiovana faobe manerana ny Nosy ka nandray anjara mavitrika ny teo anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka na ny tao amin’ny Foibe tao Anosy, izay no tarihin’ny Minisitra, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL ; na ireo Polisimpirenena any amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka rehetra sy ireo sampandraharaha eny Ifotony.
🏢 Nodiovina nandritra izany ny manodidina sy ny anatiny mba hitandroana ny fahadiovana sy ny fahamendrehan’ny toeram-piasana.
🎯 Tanjona ny :
▶️ Ady amin’ny loto sy ny fako miparitaka
▶️ Fanadiovana ireo toerana mila fanatsarana
▶️ Fampiroboroboana ny kolontsain’ny fahadiovana.
🤝 Maneho ny fandraisan’andraikitry ny rehetra amin’ny fananganana tontolo madio sy mendrika ary ny fanomanana ny fetim-pirenena ity hetsika ity, fanomezana ohatra ho an’ny mpiray Tanindrazana ihany koa mba ho tia fahadioavana ka irariana tsy hijanona amin’izao fety izao ihany fa hitohy ho fahazarana mandavan-taona.

MINISTERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY HETSIKA FANADIOVANA FAOBE IREO POLISIMPIRENENA ANERANA AN’I MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer