– Ny 07 Septambra 2025, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, naharay fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Komisaria Ambohidratrimo, izay miasa sy manara-maso eo amin’ny rond-point Andranotapahana; mahakasika olona telo mampiahiahy manosika moto roa teny amin’ny rocade Andranotapahana.
– Niroso avy hatrany tamin’ny fanaovana fisavana ireo mpitandro filaminana, saingy nandositra ireo telo lahy rehefa nahatazan-davitra ny fiavian’ny Polisimpirenena ka tafaporitsaka. Navelan’izy ireo teo kosa ireo moto natosiny.
✅ Ireto avy ireo moto hita sy nentina tao amin’ny Komisaria Ambohidratrimo :Moto routière XS150-K manga, misy laharana 3565 TCB.
Moto routière Honda Wave mainty, tsy misy laharana.
– Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisimpirenena ireo olon-dratsy, ny moto kosa ho averina amin’ny tompony rehefa vita fanamarinana.

 

MOTO ROA HITAN’NY POLISIMPIRENENA, NAVELAN’NY JIOLAHY TENY ANDRANOTAPAHANA.

Vous pourrez aussi aimer