đŻ Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava ireo lehibe ao amin’ny EMMO NAT, notarihin’ny ContrĂŽleur GĂ©nĂ©ral de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy sy ny Colonel RAVELOMANANA Tahiana, izay samy Directeur de la Police Judiciaire.
â
NitondrĂ na fanazavĂ na taminâizany ny tranga izay niseho ny alinâny 03 Aprily 2025, raha nisy nametraka cocktail Molotov sy trakta teo anoloanâny biraonâny PAC 67Ha sy Villa Pradon Antanimena. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ary nanangana « cellule mixte » niarahanâny Polisy sy Zandary hanao fanadihadiana.
â
Taminâny alalanâny « camĂ©ra de surveillance », dia fantatra fa olona roa no nanao ny asa ratsy ka moto no nampiasainâizy ireo. Voaporofo fa tompon’antoka ny MĂ©decin Colonel RAKOTOMAMONJY Simon Patrick, voasambotra ny 14 Aprily fa nitsoaka ny 16 Aprily izy nandritra ny andri-maso. Voasambotra ihany koa ilay namany nitondra moto tato aoriana, ary niaiky ny heloka rehetra niarahany taminâity Miaramila ity.
â
Nifarana ny famotorana ny 30 Aprily 2025 : olona 30 natolotra ny fitsarĂ na, 5 voatazona am-ponja vonjy maika ary 3 eo ambany fanarahamasonâny fitsarĂ na. Notsindrianâireto tomponâandraikitra ireto fa tsy nisy olon-tsotra na iray aza afaka nanatrika ny fanadihadiana rehetra natao fa Polisy sy Zandary efa manam-pahaizana manokana aminâizany avokoa no nandray anjara. Vaovao tsy marina araka izany no mbola aelinâny Colonel Patrick ankehitriny hoy ireo mpitandro ny filaminana.
â
Ankoatra izay rehetra izay dia fantatra ihany koa fa voasambotra ny olona 2 hafa nanoratra fandrahonana sy fihantsiana teny amin’ny rindrina teny Antsahamanitra ny marainanâny 24 aprily 2025 izay nisianâny fitsidiham-panjakĂ na nataonâny Filoha frantsay teto amintsika. Hatolotra ny fitsarana izy ireo ny 05 Mey 2025.
đš Nanao antso avo ho anâny mpiray tanindrazana ireo mpitandro ny filaminana, mba tsy ho mora voarebireby aminâny tsaho sy fanakorontanana, manoloana ny vaovao tsy marina izay iniana aparitaka ankehitriny.

