👮‍♂️ Nahitam-bokany ny fisafoana nataon’ireo Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Ambanja tamin’iny herinandro iny izay nahatrarana olona roa voarohirohy tamin’ny raharaha samihafa.
🚓 Nandritra ny fisavana natao dia nahitana bala folo (10), kalibre 7,65 mm, tao anaty kitapon’ny lehilahy iray 56 taona, izay tsy nahitana taratasy manamarina izany.
📌 Lehilahy iray hafa 41 taona kosa no nahatrarana fonosana rongony tao aminy.
⚖️ Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena dia natolotra ny Fitsarana tao Ambanja izy roa lahy ny 02 Oktobra 2026, ary samy voatazona am-ponja avokoa.
✅ Manamafy hatrany ny fahavononany ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fanaraha-maso ary fisavà na hisorohana ny fivezivezen’ireo zava-mahadomelina.
⚠️ Ity ny laharana finday azahoana ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka Ambanja : 034 05 998 64
AMBANJA : OLONA ROA NIDOBOKA AM-PONJA NOHO NY FITANANA BALA TSY ARA-DALĂ€NA SY FITAZONANA RONGONY
