– Ady amin’ny halatra sy fiarovana ny ankizy
– Vehivavy iray mpangalatra kavina amin’ireo zazavavikely mpianatra no tratran’ny Polisy PMPM Antsirabe.
– Milaza ho mahafantatra ny ray aman-drenin’ireo ankizy izy, ary manolotra vola hividianana « goûter », na milaza fa hamboatra ilay kavina.
– Rehefa tsy manaiky ilay zaza dia tapahiny amin’ny fitaovana fanapahana hoho ilay kavina.
– Voalaza fa efa nigadra indroa io vehivavy io noho io resaka halatra kavina io ihany.
– Natolotra ny fampanoavana ny 30 Septambra 2026 ny raharaha ka nidoboka am-ponja indray izy.
– Manentana hatrany ny rehetra hanara-maso araka izay tratra an’ireo ankizy, raha misy ny tranga mampiahiahy dia mampilazà ny manam-pahefana mba hahafahana mandray fepetra.

 

ANTSIRABE : TOVOVAVY IRAY MPANGALATRA KAVINA AMIN’NY ANKIZY MPIANATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer