🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy fametrahana fandriampahalemana
🚨 Nitrangà na fanafihana miharo halatra ary vono sy ratra ny alin’ny 09 hifoha 10 Septambra 2026, teo Anjazafotsy, Betafo.
👥Teratany vahiny roalahy nandeha avy any Antananarivo hihazo an’i Miandrivazo no niharan’ny fanafihana.
📱Lasan’ireo jiolahy ny vola sy entana, finday ary fitaovana samihafa.
👮‍♂️ Nanao ny fikarohana sy fanadihadiana ny SRPJ Vakinankaratra sy ny Kaomisaria Betafo, ka olona roa no voasambotra tao Betafo, ary olona enina hafa tany Antananarivo.
🔎 Hita ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana nampiasain’ireo jiolahy, ary naverina ny ampahany tamin’ny vola sy ireo entana ary fitaovana.
⚖️ Rehefa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny 22 Septambra 2026 dia notazonina am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotra.
BETAFO : HALATRA MIHARO VONO SY RATRA, OLONA ENINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
