– Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, sy ireo mpiara-miasa aminy, tao amin’ny biraony teto Anosy, ny Kolonely Guillon Olivier, izay voatendry ho « Attaché de Sécurité Intérieure » vaovao eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ny 05 Aogositra 2026 tolakandro.
-Samy nanamafy ny fahavononany hanohy sy hampivelatra ny fiaraha-miasa efa misy ny andaniny sy ny ankilany, ho fampiroboroboana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara sy ny faritra Ranomasimbe Indiana.

NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA TAO AMIN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA NY MPIRAKI-DRAHARAHA MOMBA NY FILAMINANA ANATINY (ATTACHÉ DE SÉCURITÉ INTÉRIEURE) VAO NOTENDRENA AMIN’NY MASOIVOHON’I FRANTSA.

Vous pourrez aussi aimer