DRSP MENABE/ CSPD MIANDRIVAZO: LEHILAHY IRAY TRATRA AMBODIOMBY NANAO VOLA SANDOKA

Tra-tehaky ny Polisy ao Miandrivazo ity lehilahy iray ity noho ny fanapariahana sy fanamboarana vola sandoka.
✅️ Rehefa nahazo angom-baovao ny Polisy ao an-toerana dia nametraka ny paik’ady rehetra ary nanao ny fanarahan-dia azy ka teo am-panakalozana vola ity farany no nosamborina avy hatrany.
💰Rehefa natao ny fisavana dia nahitana vola sandoka 20 000 ar maromaro izay mitentina 8 600 000ar sy fitaovana fanamboarana vola sandoka teny aminy.
🚨 Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.

DRSP MENABE/ CSPD MIANDRIVAZO: LEHILAHY IRAY TRATRA AMBODIOMBY NANAO VOLA SANDOKA

Vous pourrez aussi aimer