– Nampivondrona ireo Polisimpirenena miasa eto amin’ny Faritra Boeny tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina « Akôry Haly ! », Mangarivotra Mahajanga, ny Alakamisy 13 Aogositra 2026, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Notronin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka tonga tany an-toerana.
– Nandritra ny fihaonana dia nametraka paikady vaovao entina hanatsarana hatrany ny filaminana sy hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana Andriamatoa Minisitra. Nomeny toromarika ihany koa ireo Polisy mba hanohy sy hanamafy ireo ezaka efa vita, hanamafy ny firaisan-kina ary ny firaisan-tsaina ihany koa eo amin’ ny fanatanterahana ny asa.
– Ankoatra izay dia nankasitraka an’ireo vokatra maro efa azon’ny Polisy teto amin’ny faritra Boeny ny tenany, ary namporisika ny hanamafisana hatrany ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.
FARITRA BOENY- MAHAJANGA : NANOME TOROMARIKA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA HO FANAMAFISANA HATRANY NY FANDRIAMPAHALEMANA.