– Notanterahina ny 22 Aprily 2026 teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato, ny atrik’asa iraisan’ny Fandrindràna ny fitsirihana anatin’ny Polisimpirenena (CCIGPN) sy ny BIANCO, mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny paikady entina miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Polisimpirenena.
– Nifantoka tamin’ireo lohahevitra roa lehibe ny atrik’asa, dia ny « Hodidina momba ny ady amin’ny kolikoly » (environnement de la lutte contre la corruption) sy ny « singa sy hirika mety hisehoan’ny kolikoly » (cartographie des risques de corruption).
– Nohazavaina tamin’izany ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly, ny endrika isehoany sy ny fiantraikany eo amin’ny rafitra sy ny fiaraha-monina, ary koa ny fomba famantarana ireo sehatra marefo mety hisian’ny kolikoly eo amin’ny asan’ny Polisimpirenena, mba hahafahana mandray fepetra ho fisorohana mahomby.
– Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana ny Talen’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy, ny Commissaire Divisionnaire de Police BEN HOUSSEN Evariste.
– Nitarika ny atrik’asa kosa ny Commissaire Principal de Police RAKOTOARISOA Faramalala, tale iraisam-paritra Antananarivo ao amin’ny BIANCO.
– Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo mpampiofana ao amin’ny ENSP sy ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police avy amin’ny andiany MIAHY, tamin’ny alalan’ny asa anaty vondrona sy fifanakalozana traikefa, izay nanampy tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalàna eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny kolikoly.
– Ity atrik’asa ity dia manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny BIANCO sy ny Polisimpirenena, ary maneho ny fahavononan’ny andaniny sy ankilany hampiroborobo ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fahamendrehana eo amin’ny asa, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena.

