FIKAONAN-DOHA IRAISAM-PARITRA MIKASIKA NY FIAROVANA SY NY FILAMINANA NY 03 SY 04 AOGOSITRA 2023 : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ANIO ANY MORONDAVA

Nosokafana anio Alakamisy 03 Aogositra any Morondava ny fikaonan-doha iraisam-paritra mikasika ny fiarovana sy filaminana karakarain’ny mpitandro filaminana ( Miaramila , Zandary, Polisy ) .
✅️ Ho fanatanterahana ny velirano napetraky ny Filoham-pirenena dia ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra moa no isan’ny antony izao hetsika izao ary faritra miisa 05 ( Bongolava , Melaky , Menabe Vakinakaratra ary Atsimo Andrefana ) no hisitraka izany voalohany .
✅️ Nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampisehoana ireo paikady natoan’ireo mpisehatra hitadiavana vahaoalana hiadiana ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny faritra Atsimo.
✅️ Tonga nanokatra ny hetsika tany an-toerana moa ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay CHRISTIAN notronon’ireo Ministra misahana ny fitandroana ny filaminana ( MDN , MSP , SEG ) , ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina , ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga ary ireo olom-boafidy sy olo-manan-kaja sivily sy miaramila .
👉 Ny venti- kevitra sy soso- kevitra mivoaka amin’ity fikaonan-doha ity dia atao lasitra hametrahana fandriampahalemana maharitra any amin’ny faritra sisa rehetra.

FIKAONAN-DOHA IRAISAM-PARITRA MIKASIKA NY FIAROVANA SY NY FILAMINANA NY 03 SY 04 AOGOSITRA 2023 : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ANIO ANY MORONDAVA

Vous pourrez aussi aimer