– Mitohy manerana ny Nosy ny hetsika fisorohana ataon’ny Polisimpirenena amin’ny alalan’ny fanentanana sy fanomezana toromarika amin’ny fahamailoana ankapobeny ho an’ny mponina, indrindra momba ny fiarovana ny ankizy sy ny fisorohana ny fahaverezana olona.
– Manentana ny ankizy sy ny mponina ny Polisy mba tsy hirenireny, hitandrina amin’ny loza mety hitranga, ary nizara ny laharana finday tokony hifandraisana amin’ny Polisy raha misy tranga fahaverezana olona na toe-javatra mampiahiahy.
– Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny filaminam-bahoaka, ary manentana ny olom-pirenena hampandre avy hatrany ny Polisy raha misy tranga mampiahiahy.
– Indreto sary vitsivitsy maneho ireo Polisy am-perinasa amin’ny fanentanana.

MITOHY NY FANENTANAN’NY POLISIMPIRENENA MANERANA NY NOSY HISOROHANA NY FAHAVEREZANA OLOMBELONA.

Vous pourrez aussi aimer