DRSP MENABE/ CSP MAHABO : TOVOLAHY IRAY NALAIN’NY JIOLAHY AN-KERINY, AVOTRY NY POLISY ARA-POTOANA

✅️ Singa iray lehibe amin’ny fiarovana ny vahoaka ny ady atao amin’ny fikambanan-jiolahy fa indrindra ny fakana an-keriny sy fanaovana takalon’aina.
🗓 Raha tsiahivina dia tovolahy iray no nalain’ny jiolahy an-keriny ny 29 oktobra lasa teo tao amin’ny tanànan’ Ankazoabo Kaominina Ambanivohitr’Ampanihy, Distrikan’i Mahabo.
🔫👮‍♂️Ny lehiben’ny CSPD MAHABO no nitarika ireo Polisy nidina ifotony teny amin’ny tetezan’ny Dabara, Fkt Ankazoabo nanao ny fanarahana sy fitsikilovana, ka vao nahita azy ireo ny jiolahy dia nitifitra avy hatrany . Raikitra ny fifandonana ary voatifitra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpaka an-keriny ka naratra mafy.
✅ Avotra soamantsara kosa ilay tovolahy ary tsy azon’ireto olon-dratsy ny vola saika atao takalon’aina.
🚨Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.

 

DRSP MENABE/ CSP MAHABO : TOVOLAHY IRAY NALAIN’NY JIOLAHY AN-KERINY, AVOTRY NY POLISY ARA-POTOANA

Vous pourrez aussi aimer