👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy fiarovana ny fananan’ny olona.
👮 Olona miisa efatra no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Boriboritany Faharoa Ambohijatovo, ny 20 Oktobra 2026, teny Ambohipo Tanana, rehefa nampiasa vola sandoka teo amin’ny toeram-pivarotana iray.
đź’µ Araka ny fanadihadiana dia vola mitentina 30.000 Ariary no naparatik’izy ireo niantsenany teny Ambohipo ka izay ny nahatonga ny mpivarotra niantso ny Polisy avy hatrany.
🎯 Nidina teny an-toerana moa ireo tomponandraikitra ary nitondra ireo olona efatra teny amin’ny Kaomisaria, Taorian’ny fanadihadiana azy ireo dia Natolotra teo anivon’ny Fampanoavana ny 22 oktobra 2026 ary naiditra am-ponja.

AMBOHIPO TANANA : MPAMPIASA VOLA SANDOKA MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer