❌Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
🔮Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny faritra Vakinankaratra, ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika MAHOMBY.
🚔Nandritra ny fisafoana tamin’ny alina ny herinandro lasa teo, nanomboka ny 23 hatramin’ny 28 febroary nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra dia olona 36 no nentina tany amin’ny Kaoimisaria nanaovana fanadihadiana fohy sy raisina an-tsoratra ny mombamomba azy noho ny tsy fitondrĂ na kara-panondro amin’ny alina ; olona 2 nosamborina noho ny fidorohana zava-mahadomelina.
🔎Nandritra ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo fiara fitanteram-bahoaka dia Bajaj 3 tsy misy taratasy no tratra niampy moto iray. Olona roa kosa no voasambotra, voarohirohy tamin’ny fihetsika mamoafady natao tamina zaza tsy ampy taona.
đŸš©Tao amin’ny kaomisaria Ambohimena indray, cyclo-pousses 4 no notanana fa tsy misy taratasy. Tamin’ny hetsika fanaraha-maso eny an-tsena, olona iray no voasambotry ny Polisin’ny FIP Antsirabe noho ny harom-paosy.
🏱Samy nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voarohirohy amin’ny fandikan-dalĂ na ireo hanokafana fanadihadiana.

ANTSIRABE : NAHAZO VOKATRA MARO TAMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA TAO ANATIN’NY HETSIKA MAHOMBY

Vous pourrez aussi aimer