TAO AO AMINA TOKANTRANO NIASANY : TRATRA NIARAKA TAMIN’NY VOLA 7 TAPITRISA ARIARY SY KOJAKOJA MARO SAMIHAFA

✅️ Rehefa natokisan’ny mpampiasa azy ity mpanampy an-trano ity dia navela irery tao an-trano.
✅️ Tsy nahatohitra fakam-panahy ity farany rehefa nisavasava tao ary nahita ny fitoeram-bola tao an-trano. Nalainy ny vola mitentina 14 tapitrisa ariary ary lasa izy nandositra . Rehefa tonga ny tompon-trano dia gaga tsy nahita ity mpanampy ary rehefa nojerena ny fitoeram-bola tao an-trano dia tsy nisy vola intsony.
👮‍♂️🚔Nanatona Polisy ny tompon-trano ka 3 andro taorian’io dia tratra teny Ampitatafika ilay mpanampy .
✅️ Vola mitentina 7 tapitrisa ariary sisa no hita teny aminy rehefa avy nividianany kojakoja ao an-tokantrano ( kidoro , sotro , Rice-cooker , koveta , sceau, vilany ,… ) sy akanjo .
🚨 Nosamborina avy hatrany ilay mpanampy ary mitohy ny fanadihadiana azy .

TAO AO AMINA TOKANTRANO NIASANY : TRATRA NIARAKA TAMIN’NY VOLA 7 TAPITRISA ARIARY SY KOJAKOJA MARO SAMIHAFA

Vous pourrez aussi aimer