🧑‍🦱Lehilahy iray 34 taona no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Mampikony, ny 17 aprily 2026, noho ny raharaha fisolokiana mifandraika amin’ny fivarotana tany.
📝Araka ny fanadihadiana natao dia tanim-panjakana ao an-toerana no nokasain’ity lehilahy ity hamidy amin’ireo mponina ao Mampikony. Nampanantenainy ireo lasibatra fa afaka mahazo tany ao amin’ny faritra “ex-SOCOMA” izy ireo, ary nangatahany vola hoenti-mikarakara ny antontan-taratasy.
🔉Fantatra fa olona miisa 49 no efa voasolokiny, ka nahazoany vola an-tapitrisany maro.
‼️Nampiahiahy ny mponina ny fihetsiny ka nampandre avy hatrany ny Polisimpirenena izy ireo. Vokatr’izany dia voasambotra tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao an-toerana ilay lehilahy ny 17 aprily 2026.
🎯Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, ary hatolotra ny fitsarana aorian’izany izy.
🔄 Mila mailo hatrany manoloana ireo mpisoloky isan-karazany indrindra eo amin’ny sehatry ny varotra. Entanina hatrany ny mpiray Tanindrazana hanatona ny Polisy avy hatrany rehefa misy ny mampiahiahy.
MAMPIKONY : MPISOLOKY AMIN’NY FIVAROTANA TANY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
