👮️ Fisorohana sy fanabeazana ho fiarovana ny ankizy sy ireo olona marefo
Notanterahin’ny Polisy miasa ao PMPM Toliara ny alarobia 22 Aprily 2026 tao amin’ny kaominina Ankililoaky, Distrika Toliara II, ny hetsika “école des parents” natao ho an’ireo Raiamandrenin’ny mpianatra tao amin’ny sekoly katolika Saint Paul sy Victoire Rasoamanarivo.
📚 Natokana ho an’ny Raiamandrenin’ny ambaratonga préscolaire sy primaire ny maraina, ary ny tolakandro kosa ho an’ny collège sy lycée. Nandray anjara ihany koa ireo solontenan’ny DIDEC.
👨👩👧👦 Ray aman-dreny manodidina ny 750 no nisitraka ny fanentanana, izay nifantoka tamin’ny zon’ny ankizy, ny fiarovana azy ireo ary ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG).
✅Mandray andraikitra feno amin’ny fanabeazana eny anivon’ny fiarahamonina hatrany ny Polisimpirenena mba hisorohana ny fandikan-dalàna ary hahatonga ny tsirairay ho tompon’andraikitra feno.

