– Fampitomboana ny traikefa sy fahaiza-manao
– Notanterahina ny Alakamisy 12 Novambra 2026 teny amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora ny lanonana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana momba ny fifampiraharahana mandritra ny fisiana toe-draharaha sarotra na mampidi-doza toy ny fitazonana takalon’aina na fitazonana olona an-keriny (Négociation de crise, Prise d’otage, Forcené …).
– Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, no nitarika izany lanonana izany.
– Fiofanana naharitra 12 andro, niarahana tamin’ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny RAID (Vondrona manokana avy amin’ny Polisy Frantsay).
– Voalohany teto Madagasikara no nisian’ny fiofanana momba ny fifampiraharahana amin’ny toe-draharaha misy krizy. Izany hoe, traikefa fanampiny izay azon’ireo mpitandro ny filaminana malagasy ity paikady ity ka tsy voatery miroso amin’ny fampiasàn-kery avy hatrany raha misy toe-draharaha sarotra fa azo atao ny mandresy lahatra ny mpifanandrina mba hilavo lefona.
– Araka izany, ankoatra ireo Polisimpirenena dia nandray anjara ihany koa ny avy amin’ny Zandarmariam-pirenena nandritra ny fiofanana.

NISITRAKA FIOFANANA MOMBA NY FIFAMPIRAHARAHANA MANDRITRA NY FITANTANANA TOE-DRAHARAHA SAROTRA SY ANATY KRIZY, TOY NY FAKÀNA TAKALON’AINA SY FITAZONANANA OLONA AN-KERINY, NY MPITANDRO FILAMINANA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA SY NY ZANDARMARIAM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer