👉 Ady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana
👮‍♂️ Lehilahy iray no tratra tao anatin’ny fefin’olona tao Tanjombato ny 26 septambra 2026 tokony ho tamin’ny 01 ora maraina, raha nikasa hangalatra hazo ary tafaporitsaka ny namany iray hafa niaraka taminy.
🎯 Fantatra fa efa maro ny hazo very tao amin’io toerana io teo aloha.
👮‍♂️ Ny 27 septambra 2026 tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro dia lehilahy iray hafa no tratra ambodiomby nangalatra tao amin’ny tokan-trano iray teny Tanjombato ihany.
👉 Nentin’ny Polisy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato izy ireo hanaovana fanadihadiana alohan’ny anolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.
âś… Mila mailo hatrany fa tsy kely lalana ny ratsy ary aza misalasala mitoroka sy mampilaza raha misy ny mampiahiahy.
TANJOMBATO Mpangalatra MIISA ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
