👉 Nitsidika ireo ivontoeram-panadinana tetsy amin’ny LMA Ampefiloha sy tetsy amin’ny CEG Antananimbarinandriana izay isan’ireo hanaovana ny fifaninana handraisana ireo mpianatra ho Polisimpirenena taona 2026 ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL ; niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakĂ na (FOP) sy ny tompoan’Andraikitra ao amin’ny BIANCO, ny marainan’ny Alahady 27 Septambra 2026.
đŸ‘źâ€â™‚ïž Natao izany fitsidihana izany mba hijerena akaiky ny fizotry ny fifaninanana, sy hanamafisana ny fangaraharĂ na, ary ny fanajĂ na ny fepetra amin’ny fandraisana ireo mpiadina.
đŸ€ Tanjona ny hahazoana antoka fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fifaninanana, ho amin’ny fifantenana ireo tanora mendrika hiditra eo anivon’ny Polisimpirenena.
🔘 Manara-maso ny fifaninana miaraka amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka hatrany ny Minisiteran’ny Asa, ny fampanana asa ary ny Asam-panjakàna sy ny Bianco.

FANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY 2026 : NITSIDIKA IREO IVONTOERAM-PANADINANA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer