– Naharay antso avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisimpirenena ao Mampikony ny 8 Desambra 2025 hariva fa misy lehilahy roa mitady mpividy taolam-paty. Araka ny voalazan’ity olona nampandre ny Polisy ity dia izy no hivarotan’ireto lehilahy ireto ireo taolam-paty.
– Fotoana fohy dia tonga tao amin’ny trano nitobian’ireto roalahy ireto ny Polisy ka tratra tao izy roalahy miaraka amin’ireo taolam-paty saika amidin’izy ireo.
– Nentina avy hatrany namonjy birao, nanaovana fanadihadiana ireto roalahy ireto mialohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
MAMPIKONY : LEHILAHY ROA NIVAROTRA TAOLAM-PATY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
