– Nisy nampandre ny Polisimpirenena miasa ao Ambanja fa nisehoana trangana vono olona tao Tanambao V, Ambanja, ny 21 Novambra 2025 tolakandro.
– Araka ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena, vehivavy iray 46 taona, dokotera miasa ao Ambanja, no novonoin’ny mpanampiny tao an-tranony. Nahitàna tsatok’antsy roa ny vatany rehefa natao fizahana, ny iray teo amin’ny tratra ankavanana ary iray teo amin’ny tanana havia. Mbola hita tao ihany koa ny antsy izay namonoana azy. Taorian’ny tranga dia nitsoaka nandositra ilay mpiasa tao an-trano sy ny sakaizany.
– Natao ny fikarohana sy fanangonam-baovao ka tratra tao Ambositra ny 02 Desambra 2025 ilay lehilahy. Nandritra ny fanadihadiana dia nanoro ny toerana misy ilay vehivavy mpiasa an-trano izy ka voasambotra ny 03 Desambra 2025 tao Ambositra ihany ilay vehivavy.
– Nentina tany Ambanja izy ireo nanokafana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ka rehefa natolotra ny fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambanja.

 

AMBANJA : VEHIVAVY IRAY NAMONO NY MPAMPIASA AZY SY NY SAKAIZANY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ; TANY AMBOSITRA, FARITRA AMORON’I MANIA IZY IREO NO TRATRA

Vous pourrez aussi aimer