– Ady amin’ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona.
– no Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Sambava, tao amin’ny fokontany Soavinandriana ny lehilahy iray ny harivan’ny 06 Novambra 2026, noho ny resaka fanolanana zazavavy enina taona.
– Araka ny fantatra, olona mpihavana amin’ilay zaza ihany ity lehilahy ity. Ny zokin’ilay zaza no nahita ny zava-nitranga ka nampandre ny Ray aman-dReniny, izay niantso ny tompon’andraikitry ny Polisimpirenena avy hatrany.
– Nosamborina ary nentina tao amin’ny kaomisaria ilay lehilahy nanaovana fanadihadiana.Natolotra ny Fampanoavana ny 10 novambra 2026 moa ny tenany ary naiditra am-ponja
SAVA – SAMBAVA : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY RESAKA FANOLANANA ZAZAVAVY ENINA TAONA
