Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
➡️Manan-danja amin’ny asa fampandriana fahalemana ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenana ka tsy ataon’ny Polisimpirenana ho ankila-bao ny fanabeazana sy fanentanana ny mpiray tanindrazana.
➡️Araka izany, nanatanteraka fanentanana amin’ny fampandraisana andraikitra ny tanora eo anatrehan’ny fiarahamonina sy ny Firenena ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67 ha sy ny BFP ka teny amin’ny Lycée La Primaire Andohatapenaka no nanombohana ny hetsika.
➡️Lohahevitra maro no nodinihina nandritra izao fihaonana mivantana izao ka isan’izany ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), ny fanentanana amin’ny fisorohana ny herisetra anaty tambazotran-tserasera, ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, fanazavàna momba ny andraikitry ny Polisimpirenena eo anivon’ny fiaraha-monina, ary fanabeazana amin’ny maha-olompirenena vanona sy mandray andraikitra.
➡️Mpianatra manomboka amin’ny kilasy fahafito ka hatramin’ny kilasy famaranana no nandray anjara tamin’izao dinidinika izao. Izy ireo aorian’izay dia afaka hifampizara sy hanentana ny tanora mitovy aminy any anatin’ny fiarahamonina sy eny anivon’ny fianakaviana.

FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA NY TANORA, FANENTANANA AMIN’NY FITIAVAN-TANINDRAZANA SY NY MAHA OLOM-PIRENENA VANONA : NIHAONA TAMIN’NY MPIANATRA TAO AMIN’NY LYCÉE LA PRIMAIRE ANDOHATAPENAKA NY POLISIN’NY KAOMISARIA 67HA NIARAKA TAMIN’NY BFP

Vous pourrez aussi aimer