Tontosa ny Alatsinainy 21 jolay 2025 tolakandro tao amin’ny lapan’ny fitsaràna Anosy ny lanonam-pitsaràna fandraisana ny fianianana amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna an’ireo Commissaire de Police sy Officier de Police miisa 80 mianadahy avy amin’ny andiany MANAMPI.
➡️Natao izao fianianana izao ho fanamarihana ny maha mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo ary fanambaràna ny fahafahany mandray izany andraikitra izany.
➡️Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ity fotoam-pitsaràna ity Ramatoa Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana mitohy eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise.
COMMISSAIRE DE POLICE MIISA 30 SY OFFICIER DE POLICE MIISA 50 AVY AMIN’NY ANDIANY MANAMPI NAHAVITA FIANIANANA AMIN’NY MAHA MPIKAROKA FANDIKAN-DALÀNA AZY IREO ANDROANY TETSY AMIN’NY FITSARANA ANOSY