– Tanterahina eny amin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato ny fiandrasana ny nofo mangatsiakan’ireo Manamboninahitra Ambony sy Mamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy namoy ny ainy tamin’ny filatsahana an’elonaina ny Alarobia 26 Aogositra 2025.
– Tonga naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakaviana mana-manjo ny Fianakaviamben’ny Hery Fiarovana sy Filaminana notarihin’ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy sy ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Jeneraly Sekretera Jeneralin’ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Notronin’ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Contrôleur Général de Police Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena ary ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika An-tanety, ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika An-dranomasina sy ny Jeneraly Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Anabakabaka.
– Niara-niory teny an-toerana ihany koa ny fikambanam-behivavy vadin’ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana dia ny FIVAMI, FIVAPOVA ary ny FIVAZA notarihin’ny Filoham-boninahiny.
– Ny alakamisy 27 aogositra amin’ny 2 ora tolakandro no hotontosaina eo amin’ny place d’armes Bataillon Parachutiste Ivato ny fanaovam-beloma farany ara-miaramila mialohan’ny hitondrana ny razana any amin’ny toerana hanatontosana ny fandevenana avy.