▶️ Tontosa ny marainan’ny 8 Oktobra 2025 tetsy Anosy ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka teo aloha, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka vao nandray ny asany, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina.
✅ Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalin-dahy, ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy. Nanotrona izany ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo manam-pahefàna sivily sy miaramila maro.
✅ Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia niantso ny fanohizana ny firaisankinan’ny Polisimpirenena malagasy ny Minisitry ny Filaminambahoaka teo aloha, nanentana ny fandraisana andraikitra sy ny adidy anatin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana ihany koa izy.
✅ Tetsy an-kilan’izay ny Minisitry ny Filaminambahoaka vao nandray ny asany dia nilaza fa fanamby apetraka maika, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny famerenana ny filaminam-bahoaka ka hahafahan’ny mpiray Tanindrazana manohy tsy misy ahiahy ny asa fihariana andavanandro ary indrindra hahafahan’ny tanora sy ny zaza malagasy manohy ny fianarana mba ho antoky ny ho avy. Namafisin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka vao nandray asany fa iray tsy mivaky ny Hery Fiarovana sy Filaminana amin’ny fanatanterahana ny asa ho famerenana ny Filaminam-bahoaka.
✅ Ahafahana manatanteraka izany dia nanentana ny Polisimpirenena rehetra tsy an-kanavaka izy hanatanteraka ny adidy sy andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fahitsiana sy ny maha-matihanina, ny fitandroana ny etika sy ny deontolojia amin’ny fanajàna ny lalàna sy fitsipika, ny tokony hahasaropiaro amin’ny fanajàna ny hasin’ny Polisimpirenena.
✅ Manome toromarika ny Polisimpirenena rehetra mba ho tompon’andraikitra feno amin’ny iraka ampanaovina azy, amin’ny sampan’asa rehetra misy araka izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka vao nandray ny asany, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : TONTOSA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN’IREO MINISITRA ROA TONTA VAO NANDRAY NY ASANY SY NY MINISITRA TEO ALOHA

Vous pourrez aussi aimer