đź’’Teny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Jobily fankalazana ny faha-folo taona nivoahan’ny andiany HASINA avy ao amin’ny ENIAP ny sekoly, ka nidiran’izy ireo tao amin’ny fianakaviam-ben’ny Polisimpirenena. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana araka izany no nanombohan’ny andiany HASINA ity fankalazĂ na ity. Hetsika maro samihafa no entina manamarika ny faha-folo taonan’ny andiany HASINA amin’ity taona ity, sy amin’ny taona 2026 ka isan’izany ny fanolorana fanampiana ho an’ny kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy amin’ny volana Aogositra izao.
âś… Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filamanambahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina ; ny Talen’ny Fitantanana ny maha olona eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny ContrĂ´leur General de Police, MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, ny Talen’ny Fitantanana Haitao ara-kajy mirindra sy ny Fampifandraisana eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina ; tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ny Polisimpirenena manamboninahitra ambony, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette sy ireo avy amin’ny andiany HASINA. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka fa tokony hijoro hatrany ho fanasin’ny tany ireo Polisimpirenena avy amin’ny andiany HASINA ; nirary soa ny andiany HASINA izy mba hahavita be hatrany eto anivon’ny Polisimpirenena sy ho an’ny mpiray tanindrazana ary ny Firenena.

POLISIMPIRENENA AVY AMIN’NY ANDIANY HASINA : MANKALAZA NY FAHA 10 TAONANY

Vous pourrez aussi aimer