💒Teny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Jobily fankalazana ny faha-folo taona nivoahan’ny andiany HASINA avy ao amin’ny ENIAP ny sekoly, ka nidiran’izy ireo tao amin’ny fianakaviam-ben’ny Polisimpirenena. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana araka izany no nanombohan’ny andiany HASINA ity fankalazàna ity. Hetsika maro samihafa no entina manamarika ny faha-folo taonan’ny andiany HASINA amin’ity taona ity, sy amin’ny taona 2026 ka isan’izany ny fanolorana fanampiana ho an’ny kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy amin’ny volana Aogositra izao.
✅ Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filamanambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina ; ny Talen’ny Fitantanana ny maha olona eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur General de Police, MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, ny Talen’ny Fitantanana Haitao ara-kajy mirindra sy ny Fampifandraisana eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina ; tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ny Polisimpirenena manamboninahitra ambony, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette sy ireo avy amin’ny andiany HASINA. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka fa tokony hijoro hatrany ho fanasin’ny tany ireo Polisimpirenena avy amin’ny andiany HASINA ; nirary soa ny andiany HASINA izy mba hahavita be hatrany eto anivon’ny Polisimpirenena sy ho an’ny mpiray tanindrazana ary ny Firenena.

POLISIMPIRENENA AVY AMIN’NY ANDIANY HASINA : MANKALAZA NY FAHA 10 TAONANY

Vous pourrez aussi aimer