👤 Tonga nitsidika sy nihaona tamin’ny solon-tenan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny Alarobia 01 Jolay 2026 ny Kolonely OLIVIER DUCRET , Lehiben’ny Sampana misahana an’i Afrika Atsimon’i Sahara eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-pilaminana sy Fiarovam-pirenena ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Frantsay niaraka tamin’ ireo delegasiona notarihiny. Ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOMALALA Simon, Tale misahana ny Fanadihadiana Anatiny, sy ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana mitohy, no nandray azy nandritra izany fitsidihana ara-pomba fanajana izany tao amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka Anosy.
🤝 Nifampidinika momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta, indrindra eo amin’ny fampiofanana ireo Polisimpirenena Malagasy, mba hanatsarĂ na hatrany ny kalitaon’ny asa sy hiatrehana ireo ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA NY KOLONELY OLIVIER DUCRET, LEHIBEN’NY SAMPANA MISAHANA AN’I AFRIKA ATSIMON’I SAHARA EO ANIVON’NY FIARAHA-MIASA ARA-PILAMINANA SY FIAROVAM-PIRENENA AO AMIN’NY MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY FRANTSAY.

Vous pourrez aussi aimer