🔹 Zazavavy 15 taona mipetraka ao Ampitarihana, Fokontany Antanakoro, Kaominina Ambonivohitra Mananara Avaratra izay tsy hita nanomboka ny Sabotsy lasa teo tao Mananara Avaratra no hita soa aman-tsara tao amin’ny fokontany Analanampotsy ny 21 Jolay 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro, ary efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany.
👮‍♂️ Taorian’ny filazana momba ny fahaverezany dia nanao fikarohana avy hatrany ny Polisy. Rehefa hita izy dia nambarany fa niaraka nivoaka tamin’ny namany izy ary natahotra ny hiverina tao amin’ny raiamandreniny satria tsy nahazo alalana.
📣 Entanina hatrany ny rehetra, na ny raiamandreny na ireo tanora, mba hampitombo ny fotoana hisian’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, hisian’ny fifampihanoana.
đź’¬ Vahaolana tsara indrindra ny fifampiresahana mba hisorohana ny zava-doza mety hiseho.
🚨 Amporisihina ihany koa ny fampilazà na any amin’ny mpitandro ny filaminana isaky ny misy tranga mampiahiahy.