Ady amin’ny kolikoly
✅Tontosa ny faha 10 Jolay 2025 ny fanatanterahan’ireo Polisy misahana ny fanadihadiana sy fanenjehana fandikan-dalàna (OPJ) ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka SAVA, ny ny fanambaram-pananana eny amin’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) tao Sambava, araka ny voalazan’ny lalàna.
✅Nandritra io fotoana io no nanindriana ny maha zava-dehibe ity fihetsika ity, satria ankoatra ny fampiharana ny mangarahara eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana ; natao ihany koa ho porofo mivaingana amin’ny finiavana hiady amin’ny kolikoly ho an’ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny Polisimpirenena izany.
